ActualitésTsidika

Covid-19 : Amin’ny taona manaraka vao mety ho voafehy

Ny fizahan-tany sy ny fitaterana an’habakabaka sy an-dranomasina mampitohy an’i Madagasikara amin’ny any ivelany dia mbola nalalaka nandritra ny fotoana efa nahafantaran’ny maro fa tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny firenena idiran’ilay valanaretina coronavirus, tamin’ny taon-dasa 2020 teo. Nivezivezy tsy niato ny fiaramanidina mitondra vahiny sy Malagasy mankaty Madagasikara sy mankany ivelany. Maro ny Malagasy tsotra nitaky sy niangavy ny fanakatonan’ny fanjakana ny sisin-tanin’i Madagasikara, ka any amin’ny tambajotran-tserasera no nahitana izany fitakiana izany betsaka.

Ankoatra ireo trangana covid-19 na koa ireo « cas importés » 2 tonga teto Madagasikara, izay nambaran’ny ministeran’ny fahasalamana ny 27 oktobra lasa teo, dia nahitana tranga vaovao folo indray any amin’ny faritra Morondava ny faran’ny herinandro teo, raha ny vaovao navoakan’ny gazety mpiseho isanandro. Tsy mbola nisy kosa anefa ny fampitam-baovao ofisialy avy any amin’ny Ministeran’ny fahasalamana, izay milaza tsy mbola manana antsimpiriham-baovao mikasika ireo tranga vaovao ireo hatramin’izao. Mbola ny an-toerana hoy izy ireo ny ministry ny fahasalamana. Azo heverina fa tranga avy any ivelany ireo vaovao ireo na ihany koa hoe avy eto an-toerana, hoy kosa ny mpitsabo iray, satria mbola tsy foana tanteraka ny valanaretina covid-19 eto amintsika hatramin’izao.

« Marina fa hoe tsy dia re ilay resaka covid, fa tsy midika akory izany fa hoe foana tanteraka ity valanaretina ity, nisy foana ny covid teto amintsika. Ny fanjakana no milaza fa tsy misy intsony izany, efa resintsika ny coronavirus, hany ka lasa tsy dia manisy resaka loatra azy ity ny vahoaka, eny fa na hatramin’ny mpilaza vaoavao sasany ary ».

Morondava moa no noresahana teo hoe misy tranga vaovao maromaro tamin’ny PCR hita hoe « positif « . Raha izay fotoana nisokafan’ny sidina tany amin’ny faritra tamin’ny 23 oktobra izay manko, dia azo eritreretina ihany hoe « cas importés » ireo. Tsara ho fantatra fa mety mihiba na « négatif » ny test PCR rehefa midina any amin’ny taovam-pisefoana ny valanaretina izay tsy hahafahana mamaritra na voa na tsia ilay olona.

Nandritra ny enim-bolana voalohan’ity taona 2021 ity, dia namely mafy teto amin’ny firenena ny valanaretina covid-19. Ankehitriny anefa raha ny vaovao voaray, dia hahiana indray ny mety hiparitahan’izany, eny fa na dia misy ary ny vaksiny. Tsy ny olona rehetra manko no efa vita, fa ao ireo olona izay mbola tsy sahy miroso amin’ny fanaovam-baksiny noho ny fatahorana. Miteraka olana lehibe eran-tany ny fisian’ity valanaretina ity, satria ny ankamaroan’ny firenena rehetra amin’izao dia misedra ny fiakaran’ny vidim-piainana avokoa. Raha ny kajikajy nataon’ireo manam-pahaizana eo amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), dia mbola hiakatra foana ny vidim-piainana maneran-tany hatramin’ny faran’ity taona 2021 ity. Toy ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus koa mantsy dia misy ihany koa ny PIC amin’ny « inflation », ka tsy ho tratra izany raha tsy amin’ny faran’ny taona.  Aorian’izay vao mety hisy ny fihenan’ny vidim-piainana ary any amin’ny tapaky ny taona 2022 any vao hiverina amin’ny laoniny, izany hoe mitovy amin’ny vidin’entana tamin’ny fotoana tsy mbola nisian’ny valan’aretina covid-19.

Sarotra ho an’ny fanjakana malagasy ny hifehy an’io vidin’entana io noho ity valanaretina tsy mety ho voafehy tsara ity. 

Murielle Andrianasoloniaina

Laisser un commentaire