Floride: 94 no maty, vao mainka sarotra ny famantarana ireo niharam-boina
Raha tsiahivina dia ny 24 Jona teo no nirodana ny Champlain Towers South. Trano be misy rihana 12 niorina tao avaratry Miami. Olona 22 no mbola tsy hita sivy ambin’ny folo andro taty aorian’ny nianjeran’ny trano. Miha-navesatra indray ny isa tao aorian’io sivy ambin’ny folo andro io hoy ireo manam-pahefana amerikanina satria niakatra 94 ny isan’ny maty.83 no efa voamarina tamin’ireo olona niaram-boina ireo. “Mandeha ny fotoana dia vao maika mihasarotra io fanamarinana io” hoy ny ben’ny tanànan’i Miami-Dade, Daniella Levine Cava. Raha mbola olona 22 no tsy hita, mety hisy olona hijanona ao amin’ny lisitry ny tsy hita mandra-paha fantatra ireo olona ireo hoy hatrany izy. Namafisiny fa misy fomba arahana sy faharetana ary mitaky fotoana ny fanamarinana ireo olona ireo”.
