Ireo vokatsoa entin’ny « Choux Fleur »
Efa hita miparitaka eny an-tsena ny « Choux Fleur » amin’izao fotoana izao. Tsy vitsy ny mankafia azy ireny noho izy matsiro tokoa; ao aza ireo mihanihany ka milaza hoe totokena ihany izy ireny fa fotsifotsy fotsiny. Tsy mitondra fahafinaretana ho an’ny tenda ihany anefa ny “Choux Fleur” fa ho an’ny vatana indrindra indrindra. Mahasalama ny tatavia sy ny voa izy ary mitondra soa ho an’ny selan’ny olombelona. Ho an’izay tratarn’ny aretin’aty dia manadio aty izy no mahatomombana ny tahan’ny “Cholesterole”. Aretina mampidi-doza kanefa azo sorohana tsar any homamiadana ary ny “choux fleur” dia isan’ny miaro amin’izany koa mazotoa mihinana. Manadio rà ihany koa no manampy amin’ny fitohanana ihany koa izy na ny “constipation”. Manmpy ireo mpiakatra tosi-drà ihany koa izy satria miaro amin’ny fiakaran’ny tosi-drà tampoka. Mety ho an’ny mpianatra indridnra indrindra satria mitondra fahasalamana ho an’ny atidoha sy ny fitadidiana ary manala ny raritsaina izy. Be vitamin C, B, K no sady manala fanaintainana ny “Choux Fleur”. Fomba maro azo ikarakarana azy izay mitazona hatrany ny hatsirony foana. Amin’iz matsiro iza anefa dia tsy mety loatra hohanin’ireo mararin’ny Gaotra na “goute” izy.
Nicole Rafalimananjara
