Torohevitra: « Anti-âge » vita amin’ny akora natoraly
Akora miady amin’ny fahanterana sy manafina ireo lesoka aterak’izany ny « anti-âge ». Ho an’ireo tsy tia mihosotrosotra akora simika amin’ny hoditra anefa dia azo atao tsara ny manamboatra ity akora natoraly ity, ka sotroina indray izany eto fa tsy ahosotra. Ny vokatra azo dia ny hoditra mandina tsara sy tsara kalitao.
Ranona voasarimakirana, sakamalaho, ravina solila, lohamenaka voasarilakirana ary lohamenaka taretra, ireo no akora ilaina. Tsotra ny fikarakarana azy. Afangaro ny ranona voasarimakirana iray mitete sy ny lohamenaka taretra. Alefa ao anaty rano iray litatra ka aroina tsara. Ampiana ravina solila roa, vaingana lagilasy ary sakamalaho voakiky. Rehefa izay, dia ampidirina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny ora iray, mialohan’ny hisotroana azy.
Manankarena « antioxydants » sy otrikaina miady amin’ny fahanteran’ny hoditra ity zava-pisotro ity. Manadio sy manatsara ny taova rehetra izy ao anatin’izany ka mahatsara ny hoditra. Mialohan’ny sakafo maraina no tena tsara hisotroana azy. Mety ihany koa anefa sotroina mandritra ny sakafo tahaka ny divay « apéritif ».
Manitra R.
