Fa inona no tena mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ?
Anatin’ny ady amin’ny Covid-19 isika izao, ary tsy mitsahatra manohy ny ezaka ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka handresena ny valan’aretina sy hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny rafitra sy tolotra ara-pahasalamana ankapobeny ho an’ny vahoaka. Ho fanohanana ny ara-pahasalamana eto Madagasikara araka izany, nanolotra ambulance miisa 10 ny avy ao amin’ny ONG avy any Corée « African Future Foundation Madagascar ».Tonga nanatrika ny fanolorana ofisialy ireo « Ambulance » ireo, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Rakotovao Hanitrala Jean Louis, sy ny Masoivoho Koreana miasa eto Madagasikara, Yongho Son. Nambaran’ Andriamatoa Ministra fa tsy amin’ny ady amin’ny Covid-19 irery ihany no hampiasana ireo « ambulance » ireo. Ho aparitaka any amin’ireo distrika lavi-dalana sy maro tranga-na lozam-pifamoivoizana, ary ho an’ireo hopitaly lehibe izay mbola tsy manana mbahahafahan’ny vahoaka misitraka izany. Tsy niandry ela fa efa nozaraina manerana ireo Tobim-pahasalamana tokony hisitraka izany ireo « ambulances » izay natolotra teny amin’ny HJRA. Ny Hopitaly ao Arivonimamo no isan’ireo nisitraka izany, toerana lalovan’ny lalam-pirenena voalohany (RN1), izay matetika ahitana tranga lozam-pifamoivoizana. Mahavaha ny olana ara-pahasalamana tokoa ve izany ? Inona tokoa no maha betsaka izany lozam-pifamoivoizana izany ? Mila fantarina ny tena antony ahitana matetika loza amin’iny toerana iny ? Sao ny lalana no olana ka mila fanamboarana aloha ?
Nicole Rafalimananjara



