Polisim-pirenena : Voasambotra ary natolotra ny fampanoavana nikasa nametaveta ny olona notsaboiny
Vehivavy iray no nanatona mpitsabo noho ny tsy fahasalamana mahazo azy. Nanao fihetsika mamoafady taminy nefa ilay mpitsabo azy ary nikasa nanao firaisana ara-nofo ho takalon’ny fitsaboana. Tsy nankatoa izany nefa io vehivavy io ary tonga nitory teny amin’ny Polisy. Nosamborina ilay mpitsabo ka rehefa vita ny fanadihadiana natao taminy dia natolotra ny fampanoavana izy. Nidoboka am-ponja vonjimaika kosa ity farany mandram-piandry ny andro hitsarana azy.
