ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Hisy ny hetsika fanaovana didifoitra faobe maimaim-poana

Hisy ny hetsika fanaovana didim-poitra faobe maimaim-poana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, ny sabotsy 10 jona ho avy izao. Hetsika karakarain’ny kaominina Ambohimangakely, tahaka ny fanao isan-taona izany, rah any voalaza.

« Misy ny fisoratana anarana atao mialoha eny amin’ireo biraon’ny fokontany tsirairay avy eto an-toerana mialohan’ny hanatanterahana ny hetsika. Ilaina izany mba ho fandaminana sy fandrindrana eo amin’ny lafin’ny fanomanana » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Anisan’ny fanampiana ny mponina ny hetsika tahaka izao. Hary fomba ihany koa satria misy ireo fikambanana misehatra amin’ny fahasalamana miara-miasa amin’ny fanatontosana izany » hoy hatrany ny fanazavana.

Fotoana iray handrasan’ny maro, rehefa vanim-potoanan’ny ririnina ny famoran-jaza ary manaisotra ny fahasahiran’ny ray aman-dreny ny hetsika faobe tahaka izao. Hanomboka amin’ny 07ora maraina moa ity hetsika ity, izay atao ao amin’ny CEG Ambohimangakely ihany.

Manitra R.

Laisser un commentaire