Mayotte : Nankatoavina ny fandravana an’i Talus II
Mitohy ny fandravana ny « bidonville » ao Mayotte. Raha tsiahivina dia tafiditra ao amin’ny hetsika Wuambushu izany. Tafiditra ao anatin’ny lisitra i Talus II, nankatoavin’ireo mpitsara ny fitsarana ny faran’ny herinandro teo ny fandravana io bidonville io araky ny fangatahan’ny prefen’i Mayotte.
Antony tsy azo nahatanterahana ny fandravana ny tsy mbola nisian’ny toerana namindrana ireo tokantrano 20 mahery nonina ao amin’io bidonville io raha ny fanazavana. Efa nitondra vahaolana manoloana izany nefa ny prefe hoy ireo mpitsara ka azo atao ny miroso amin’ny fandravana. Tsy maintsy mbola dinihin’ny fitsarana tampony kosa ny raharaha.
