SocialTatitra

Afghanistan : Telo no maty noho ny angidimby simba

Telo hatreto no maty tamin’ireo tafika Afghane raha simba ny angidimbin’ny tafika ny Alarobia 31 Martsa lasa teo tany atsimon’i Afghanistan. Raha efa iny efa hipetraka vonjy maika noho ny fahasimbany iny ilay angidimby raha ny olana ara-teknika nahazo azy no potika tanteraka hoy ny Chef du Conseil Provincial Du Helmand, AFT Ataullah Afghan. Roa ny polisy maty raha miaramila iray ary tsy latsakin’ny 4 kosa ny mpikamban’ny tafika naratra raha ny filazan’ny Ministeran’ny Tafika any an-toerana. Nanao fanafihana an’habakabana ny taliban manko izy ireto ka ary tratran’ny tarika taliban tao amin’ny Helmand hoy indray i Qari Yousuf Ahmadi izay mpitondra teny ny tarika.

Laisser un commentaire