Androy : Nahitana sokatra ahiana ho lany tamingana miisa 860 saika haondrana antsokosoko
Olona roa avy any Toliara sy Mahajanga no tra-tehaky ny zandary niaraka tamin’ny sokatra arovana. Miisa 860 ireo sokatra ireo, tratra tao Soamanitra (Androy) ny 30 desambra lasa teo.
« Efa mpanangona sokatra antsokosoko ireto tratra ireto. Manondrana izany any ivelany izy ireo ka izao tratra izao ihany » hoy ny zandary nanao ny fanadihadihana. « Voararan’ny lalàna, ary mahavoasazy, ny fanondranana‚ ny famonoana na fampijaliana biby arovana toy ny sokatra. Biby sokajiana ahiana ho lany tamingana eto amintsika mantsy izy ireny » hoy i Landry, mpahay lalàna. « Ny mampalahelo dia isika samy Malagasy ihany no maka ny harenantsika. Tsy handroso mihitsy ny firenena raha toy izany foana » hoy i Ravo, mpianatra eny amin’ny Oniversite mikasika ny biby arovana.
Tokony handraisana fitsarana hentitra ireto olona tratra ireto. Fanetriben’ny firenena, ary loza ho an’ny taranaka amam-para.
Nicole Rafalimananjara
