Anjeva: Miditra amin’ny lalao famaranana ny “Tournoi open 2023”
Miditra amin’ny lalao famaranana ny fifaninanana baolina kitra “tournoi open 2023” izay atao ao amin’ny kianja Salazana Anjeva gara. Anisan’ny ekipa hiatrika izany lalao famaranana izany ny FC Salazana avy ao Anjeva sy ny SEA Ambohimalaza.
“Amin’ny alahady 22 oktobra no hanatanterahana ny lalao famaranana ny open 2023. Hanomboka amin’ny 12ora atoandro ny lalao hiadiana ny toerana fahatelo ary amin’ny 02ora kosa ny lalao famaranana. Hanentanana ny rehetra ho tonga maro satria hiady dia hiady io lalao io” hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.
“Efa vonona tsara ny ekipa fa ireo mpanohana sisa no handrasana amin’ny alahady. Izany ihany koa no handrasanay mpilalao, ny fanohanana sy ny firaisan-kinan’ny rehetra satria hery lehibe ho an’ny mpilalao ny fanohanana” hoy i Rija, mpilalao.
Omby lehibe iray moa no ho azon’izay mpandresy amin’ity famaranana ity. Fanamina miisa 15isa kosa no azon’ny anjara toerana faharoa ary ondry no lokan’ny laharana fahatelo.
Manitra R.
