ActualitésCultureTsidika

Ambohimalaza Miray : Mahasarika ireo mpisehatra amin’ny resaka fandraharahana

Mety ho vitsy mpahafantatra fa manana ny tantarany sy ny maha izy azy izany kaominina Ambohimalaza Miray izany. Tanana iray miorina ao amin’ny distrikan’Avaradrano izy, ahitana mponina miisa 12 000 eo ho eo izy. Miisa 12 ny fokontany, ary mirefy 33 km2 ny velaran-taniny.

Raha hiverenan-tsika kely ny tantara dia tamin’ny taona 2017 no nahamay ny rovan’Ambohimalaza ary foana tanteraka mihitsy ny vakoka tavela tao, hatreto dia tsy mbola hita izay nahavanon-doza tamin’izany da toy ny tranga teo Manjakamiadana sy teny Ambohidratrimo ihany. Anisan’ny tanàna ambanivohitra manana tranom-boky koa izy ary nitarika ny tanora sy ny ankizy ho liam-pianarana izany.

Raha raha ny fanazavan’i Randri,a taranak’Andriana ao an-toerana, dia toy izao ny tantaran’Ambohimalaza miray : « Ambohitraivo no isan’ny renivohi-panjakana natanjaka indrindra tao Imerina ankoatra an’Ambohidrabiby, izay renivohi-panjakan’ny mpanjaka Andrianafovaratra (nanjaka 1575-1610), resin-dRalambo anefa Andrianafovaratra mpanjakan’Ambohitraivo, koa ho fanamarihana izany dia Ambohimalazabe izay toerana eo avaratr’Ambohitraivo no nofinidin-dRalambo honenan’Andriantompokoindrindra zanany lahimatoa sy Ravaomasina, ary Ambohitraivo eo atsimo kosa dia novain-dRalambo ho Imerikasinina no anarany. Ny taranak’Andriantompokoindrindra sy Ravaomasina kosa dia nifindra teo ampita avaratr’Ambohimalazabe, eo amin’ilay toerana atao hoe Ambohimalaza na Ambohimalaza miray, teo amin’ny ilany andrefan’Ambohimalaza no nonina ny taranak’Andriantompokoindrindra ka ny ilany avaratra no an’ny tarana-dRatompoinandriana sy Andriandambo, lahimatoa sy lahiaivon’Andriantompokoindrindra ary ny ilany atsimo kosa no an’ny taranak’Andriamahatsiravina zanaka faralahin’Andriantompokoindrindra. Misy lovantsofina milaza fa ireo taranak’Andriantompokoindrindra monina amin’io avaratra io dia Andriamasinavalona sy Zazamarolahy ny firazanany. Araka izany, noporofoin’Andriantompokoindrindra fa ny andriana dia mianavaratra hatrany ary ny avo razana no monina amin’ny avaratra indrindra eo amin’ny vohitra. Ny ilany antsinanan’Ambohimalaza kosa dia ny tera-dRavaomasina no nonina teo ».

Tamin’ny andron’ny fahampanjaka dia maro ny fanjakàna nisy teto Madagasikara fa teto Imerina no niavaka indrindra amin’ny maha fon’i Gasikara azy, teto koa no nanjaka sy nonina ireo karazan’andriandehibe maro.

Hoy kosa ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny kaominina : « Ambohimalaza Miray dia tanàna toy ny eto andrenivohitra ihany ary maro karazàna orin’asa sy sekoly maro ao an-toerana misy ny miankina ary misy koa tsy miankina amin’ny fanjakàna, mamboly sy miompy ny mponina ao satria manana velaran-tany azo lazaina ho ngeza ihany na tanim-bary na tanety, ny omby no biby be mpiompy indrindra ao an-toerana ary mamokatra ronono betsaka koa izy. Ahitana tobim-pahasalamana sy biraon’ny mpitandro filaminana ao an-toerana ary ny biraon’ny kaominina sy ny biraon’ny fokontany isan-karazany. Azo lazaina ho tsy dia manano sarotra ny fakàna zotra makany, izany hoe amin’ny maha akaiky an’andrenivohitra azy dia misy ihany indraindray ny fitohanana amin’ny hariva iny ».

Amin’ny tsy maha-lavitra ny renivohitra azy dia eo andravohangy no andraisana ny zotra raha hihazo any, ary 600 Ar kosa ny sarany sady, mbola azo atao koa ny mitsidika ny toerana namonoana omby voalohany raha toa ka ho any.

« Misy toerana maro afaka ivantanana koa ao an-toerana eny hatramin’ny trano fandraisam-bahiny aza, mbola maro koa ny kolon-tsaina azo trandrahana amin’ny tontolo ambanivohitra azy, ankehitriny indrindra tamin’ity taona 2021 ity dia maro ireo mpandraharaha no nanangana tetik’asa sy orin’asa any noho ny fahalalahan’ny toerana sy ny fahavitrihan’ny tanora ihany koa » hoy i Romain, mpanao sakafo ao an-toerana.

Tsy mahasakana ny fivoarana akory ny tontolo ambanivohitra, tsy voatery hoe rehefa tsy misy jiro « electricité » dia tsy afaka ny handroso. Ny fahavononana sy ny finiavana no mitondra ahafahana manantanteraka ny nofinofy. Tanàna tsy mialon-jafy i Ambohimalaza Miray, ary mahay mandray olona tsara, tsy dia be fady fa anjaranao fotsiny no mametraka ny hasin’ny tanan’olona. Tsy ny hasina ihany fa na ny fahadiovana koa aza.

Laisser un commentaire