Alasora: Hisy hira gasy goavam-be ao amin’ny kianja Maitso
Hisy ny hira gasy goavam-be, izay hifandonan’ny tarika Rasolofoson Antsrirabe Ville sy ny tarika Rabemanontany Anivoranobe, amin’ny alatsinainy izao, ao amin’ny kianja Maitso Alasora. Ny kaominina no manolotra sy mikarakara izany ho an’ny mponina, araka ny voalaza.
« Ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena, ary efa fanaon’ny kaominina ny manolotra hira gasy ho an’ny mponina. Izany ihany koa dia sady fanandratana ny kanto malagasy no mamelona ny soatoavina sy ny kolontsaina malagasy » hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’nh kaominina.
« Ny hira gasy dia tena mbola ankafizin’ny mponina, indrindra fa ny ety amin’ny kaominina ambanivohitra. Ilay hafatra ampitaina ao anatiny sy ny fiangalian’ireo mpanao azy dia mahasarika sy mahaliana foana ary taratry ny zava-misy ny hira gasy » hoy i Tojo, mponina ao Alasora.
Zava-dehibe ny fanomezan-danja ny mahamalagasy amin’izao fetim-pirenena izao. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina moa ity fampisehoana ity ary maimaim-poana ny vidim-pidirana.
Manitra R.
