ActualitésTatitra

Maurice : Tafiakatra amin’ny lalao am-pahefa-dalana i Merven Clair tamin’ny JO

Nahazo tapakila hiakatra amin’ny lalao am-pahefa-dalana amin’ny lalao olympika amin’ny taranja « boxe » any Tokyo ity mpilalao avy any Maurice izay milanja 69 kilao ity ny talata 27 jolay tao amin’ny arena Kokugikan. Nandresy nanoloana an’i Zeyad Eishaih Hussein Eashash izay avy any Jordania tamin’ny 3 noho ny 2.Ny zoma 30 jolay ho avy izao indray i Merven Clair no hihaona amin’i Aidan Walsh, avy any Irlande, izany hoe lalao am-pahefa-dalana io amin’ny zoma io. Ity olona hifanandrina aminy amin’ny zoma ity no nandresy an’i Albert Mengue Ayissi izay avy any Cameroun tamin’ny isa 5 noho ny 0 nandritra ny lalao am-pahavalon-dalana.

Laisser un commentaire