ActualitésTatitra

La Réunion : Betsaka ireo krizy nianjady amin’ny nosy

Ny resaka atsantsa (requin), dengue, chikungunya, ny Covid-19, ireo no krizy namely an’i La Réunion isan’andro tao anatin’ny volana maromaro izay.Raha efa herintaona izay no nidiran’ny krizy ara-pahasalamana vokatry ny coronavirus. Tsy izany irery anefa avy eo no nandrakotra ny firenena fa tonga ihany koa ny Chikungunya izay tsimok’aretina vokatry ny kaikitry ny moka, ny dengue ihany koa ary ny requin izay nanimba ny ara-pahasalamana sy ny ara-toekarena, ny ara-politika ary ny ara-pitantanana. Samy mamely avokoa ireo ao amin’ny nosy ary efa betsaka ny maty sy ny marary ankehitriny. Raha ny dengue fotsiny izao dia 15 no maty tamin’ity taona ity raha 4 000 no voatery nahiditra hopitaly noho ny dengue fotsiny.

Laisser un commentaire