Nalamina ny toeram-piantsonana sy fiatona amin’ireo voakasiky ny fanamboaran-dàlana
Manomboka ny alarobia 28 jolay ny fanamboaran-dàlana sasany eto an-drenivohitr,a ka hisy fiovana ny toeram-piantsonana sy ny toeram-piaton,a hoy ireo polisy misahana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra sy ny CUA. Soarano, Behoririka, Andravoahangy, Vassacos, Akazomanga, Antanimena sy ny manodidina no voakasik’izany.
Efa hita eny amin’ny arabe ny fampahafantarana sy ny marika fanampiana ireo mampiasa ny làlana mahakasika ny fiovana entina. Foana avokoa ny ankamaron’ny toeram-piatoana amin’ireo toerana efa volaza ireo. Ho an’i Antanimena manokana dia foana ny eo toeram-piatoana Conquête, Pharmacie Ralison, Falda, Douane. « Ny ialàna amin’ny fitohanana amin’ireo toerana ireo no tanjona » hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana, antony nampiarana izany tao anatin’ny fotoana maha be olona sy be fiara mba hampahafantarana ny mpampiasa ny làlana.
Mitaraina nefa io mpampiasa ny làlana fa manelingelina ny fahazaran’izy ireo izany : « Izahay izany izao avy ao Ankorondrano miasa ao Analakely dia miodikodina any amin’ny Victoria Plaza » hoy ny renim-pianakaviana iray. Tsahivina nefa fa ho an’ny fampandrosoana ny hanatanterahana ny foto-drafitr’asa toy izao.
Hasina Rasamimanana
