Cisjordanie : Niteraka ady miaro herisetra ny fahafatesan’ilay tovolahy mpikomy tao Palestine
Mpikomy maromaro, izay andian-jatovo no ankabeazan’izy ireo, no manao fahirano tanàna iray any Cisjordanie, ny sabotsy lasa teo. Ao anatin’ny hatezerana, mandoro trano fonenan’ny olona ary manafika tanàna ireto farany sy mandrahona ary manatsatoka antsy ireo mponina. Mibodo tanàna iray izy ireo hanaovana izany herisetra izany ary mitondra fiara tsy mahataho-dalana, izay mitanjo-zotra, manodidina ny fiara 50 isa eo. Manao saron-tava ny ankamaroan’izy ireo na manafin’endrika ny sasany amin’ny alalan’ny tampim-bava. Araka ny fanazavana nataon’ireo loharanom-baovao tany an-toerana, dia vokatry ny fahafatesan’ny tovolahy iray mpikomy , izay naman’izy ireo no antony hanaovana izao herisetra izao.
