Dépêches

Antsohihy RN6- Rangahy teratany frantsay 60 taona maty teny an-dalana

Teratany frantsay iray, 60 taona no maty teny an-dalana tao anaty fiara mpitatitra olona avy aty Antananarivo ho any Antsiranana. Narary tampoka tao anaty fiara izy‚ teo amin’ny 10km tsy hidirana an’Anjiamangirina‚ Antsohihy RN6. Niezaka nitondra azy namonjy toeram-pitsaboana ny mpamily saingy tsy tana ny ainy. Harerahana sy hanoanana no voalaza ho nahazo azy, satria tsy nisakafo mihitsy izy teny an-dalana fa rano foana no nosotroiny‚ araka ny fanazavana voaray. Nandeha irery izy ka notazonina ao amin’ny zandary aloha ny entany

Laisser un commentaire