Dépêches

Fifandraisana amin’ny any ivelany: Manana eritreritra ny hanampy an’ny Turquie I Madagasikara

Dépêche 24 mars, 12h, Taorian’ny horohorontany izay namely mafy an’I Turquie izay niteraka fahavoazana ara-olona betsaka tao amin’ity firenena ity dia nandefa taratasy fangatahana fanampiana tamin’ny Madagasikara izy ireo. Araka izany dia manana eritreritra ny hanampy ity firenena ity ny Fiadidiana ny Repoblika amin’ny maha-mpiara-miasa ny roa tonta. Amin’izao fotoana izao dia fanafody sy fitaovana ara-pitsaboana ary fitaovana mpanome hafanana no tena ilain’izy ireo ao anatin’ny hamehana. Hiaraha-midinika amin’ny Masoivohon’ny Turquie eto an-toerana io fanampiana azo hatolotra azy ireo io.

Laisser un commentaire