ActualitésTsidika

Alasora: Fambolen-kazo sy fanomezana rano maimaim-poana no nentina nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rano

Nanao hetsika nentina nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rano, ny 22 Martsa teo ny tao amin’ny kaominina Alasora. Nisy araka izany ny fiaraha-mientana teo amin’ireo tomponandraikitra miadidy ny tanàna tamin’ny fambolen-kazo sy fanomezana rano maimaim-poana ho an’ny vahoaka.

 » Anisan’ny dingana lehibe amin’ny fampandrosoana ny fandraisana anjara ho fanatsarana ny tontolo iainana tahaka izao, indrindra fanatsarana ny tontolo. Hisaorana ny ben’ny tanàna nitarika ny hetsika satria miainga amin’ny fanomezana lanja ny hetsika tahaka izao ny fiovana » hoy ireo mpandraharaha ao amin’ny kaominina.

 » Ny hirariana mba tsy amin’ny fotoana fankalazana ny andro iraisam-pirenena tahaka izao ihany no hisitraka rano maimaim-poana ny mponina. Ny rano izay tsy afa-misaraka amin’ny fiainana kanefa sarotra ho an’ny hafa ny misitraka azy noho izy na lafo na tsy ampy ny foto-drafitr’asa ho an’ny fahazoana rano fisotro madio » hoy i Fanja, mpisehatra ary mpanentana amin’ny rano fisotro madio.

Aina mamelona ny olona ny rano, ary raha tsy rano dia tsy velona ny tontolo. Mifampiankina amin’izany ihany koa ny zava-boahary. Ilaina araka izany ny fanentanana sy fampahafantarana ny mponina ny fikajiana ny tontolo mba hampirindra sy hampilamina ny tontolo iainana.

Manitra R.

Laisser un commentaire