ActualitésTatitra

Australie : Mpikaroka maromaro no mitady fomba tsotra hitiliana ny homamiadana

Vondrona mpikaroka iray tao Australie no namolavola fitaovana ahafahana manao fitiliana ny sela mitondra ny homamiadana amin’ny alalan’ny rà, mba tsy hantontosana « biopsies invasives » intsony.

Navoakan’ny gazety siantifika « Biosensors and Bioelectronics » tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo ny andinindinin’izany ary voarakitra tao anatin’izany fa « dispositif microfluidique » ao amin’io fitaovana io izay afaka manasaraka sy manasokajy ny CTC (cellules tumorales circulantes) ao amin’ny rà amin’ny alàlan’ny famaritana ny sela tsirairay.

Manaramaso ny fitombon’ny « lactate » ao amin’ny sela ihany kosa io fitaovana io amin’ny alalan’ny « colorants fluorescents sensibles au pH» ary mahita ny asidra manodidina ny sela raha ny fanazavan’i Majid Warkiani, mpikambana ao amin’ny UTS (Université de technologie de Sydney), ao ambadik’io fikarohana io.

Laisser un commentaire