Kianja Barea : Asa lehibe no miandry mahakasika ny fanabeazana ny Malagasy amin’ny fahadiovana.
Dépêche 24 mars, 13h, Feno hipoka ny Kianja Barea Mahamasina omaly nandritra ny andro fahatelo fiadian-toerana hahafahana miatrika ny CAN 2023. Taorian’ny lalao dia feno loto ny “gradins” noho ireo fako izay navelan’ireo mpankafy baolina kitra. Mbola asa lehibe no miandry ny rehetra tsy ankanavaka amin’ny fanabeazana ny tsirairay. Tokony samy hahay hifampianatra sy hifanabe ihany koa ny rehetra amin’izany fahadiovana izany. Mila hampitomboana ny fanabeazana amin’ny alalan’ny haino aman-jery sy ireo fitaovan-tserasera rehetra tsy ankanavaka, zava-dehibe izany indirndra amin’ny fananana iombonana tahakla itony.
