Fifidianana filohan’ny FIVASOA
06 Desambra, 07h30. Notanterahan’ny sabotsy 04 Desambra 2021 teo fifidianana filoha sy Birao hitarika ny FIVASOA (Fikambanana Vaiavin’ny Sofia eto Antananarivo). Natao atao amin’ny villa Vatosoa ao Ambohibao izany. Kandidà roa no nirotsa-kofidina Filoha ka voafidy ho tamin’isam-bato 48 amin’ny 74 Dana Marolasy raha 26 kosa azony mpifanina taminy. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana hoan’ireo nahavita be tamin’ny fikambanana sy tso-drano nataon’ny Ray aman-dReny zanaky ny faritra Sofia niatrika ny lanonana Pierre Lenoble ihany koa tamin’io fotoana io.
