Dépêches

Fitovinany: Ramatoa iray nikasa hisoloky banky

06 Desambra, 08h00. Vehivavy iray no saika hampiasa fandraikirekena tamin’ny alalan’ny fitazonana vola madinika dimy ambin’ny folo isa,andriam-by iray,voan-javatra mifono lamba mena sy taratasy fotsy misy soratra teny tsy fantatra tao amin’ny banky BNI. Voasambotra ity Ramatoa izay nanana fikasan-dratsy hisoloky ny banky BNI ity ary fantatra fa vola 44.000.000 ariary tamin’ny alalan’ny fampiasana taratasy sandoka avy amin’ny FID no nentiny teny an-toerana. Soa ihany fa mailo ny tompon’andraikitra ka niantso avy hatrany ny Polisy eto amin’ny Commissariat Central Manakara.

Laisser un commentaire