Manakara: Nafindra toerana ireo mponina amin’ny faritra iva
04 Febroary, 09h00. Nafindra toerana avokoa ireo mponina amin’ny faritra iva ao amin’ny distrikan’i Manakara omaly ho fiatrehana ny rivodoza Batsirai. Entina hiarovana ny mponina sy ny fananany izany. Notolorana sakafo mafana sy ara-pahasalamana ihany ko izy ireo nandritra izany.
