Dépêches

Tontolo iainana : Mpanao asa tanana 50 nisitraka fanamafisam-pahaizana

Dépêche 07 juin, 12h, Nanolotra fampiofanana ho an’ny mpanao asa tanana miisa 50 tao Antsiranana ny Fitaleavam-paritry ny asa tanana any an-toerana. Ny tanjona tamin’ny fampiofanana dia hanampy ireo mponina hanana ny fidiram-bolany manokana ary ihany koa hanentana azy ireo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Araka izany dia fampiofanana amin’ny fanamboarana harina fandrehitra miaro ny tontolo iainana no natolotra ireto mpisitraka ireto. Ny fanodinana ny fako ho zary harina fandrehitra no tena nimasoana tamin’izany.

Laisser un commentaire