Akademia Malagasy : Nahazo mpikambana vaovao
Dépêche 30 novembre; 13h20, Nofaranana tamin’ny fandraisana ireo mpikambana vaovao ny lanonana fankalazana ny faha 120 taonan’ny Akademia Malagasy. Miisa 28 ireo mpikambana vaovao noraisina izay mizara amin’ny sokajy miisa 5 dia ny ireo mpikambana mpiombonantoka, mpifandray sokajy Haikanto sy Hailaza, Hairaha fototra, Hairaha Ampiharina, ary ireo mpikambana Mahefa. Fandalàna ny hairaha amin’ny lafiny rehetra, sy ny fikarohana ny maha-Malagasy, ary ny fahalalana marolafy momba an’i Madagasikara no antom-pisian’ny Akademia Malagasy. Izany indrindra no nitondrana ny teny filamatra tamin’ny fankalazana ity faha 120 taona ity manao hoe: « Akademia Malagasy: sehatra avo lenta ifampizarana amin’ny rehetra ny fahalalana an’i Madagasikara sy ny Malagasy' ».
