Fanabeazana : Hampiroboroboana ny fambolena an-tsekoly hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo
Toeram-pianarana miisa 17 no nanajarina zaridaina hambolena legioma sy voankazo teto Antananarivo Andrenivohitra. Mirefy 4 500 m2 izany zaridaina namboarina sy hovolena izany. Izany no natao mba hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eny anivon’ny Sekoly.
« Nampitomboana ireo sekoly misitraka ity tetik’asa ity. Namoronana zaridaina ny sekoly satria manao ny fampisakafoanana an-tsekoly izy ireo ka mila laoka noho izany. Ireo mpianatra ihany no natao hikarakara izany ka izy ireo ihany no misitraka ny tombony avy eo. Niampy sekoly miisa 5 amin’izao fotoana ireo sekoly manana zaridaina. Milanja 213 izao ireo vokatra efa notazana tamin’ireo zaridaina izay efa nisy », hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, izay tompon’andraikitry ny tetik’asa.
« Manana tombony ireo mpianatra ireo sady manala fahasahiranana ny Ray aman-dreny sy ireo mpahandro sakafo ilay izy. Tsy misahirana intsony mitady any alavitra. Manampy ireo ankizy hiala amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa izany satria notsongaina manokana ireo zavatra hambolena mba hitondra vokatsoa betsaka ho an’ny fahasalaman’ny tsirairay », hoy ity tompon’andraikitra iray ao amin’ny Epp Imamba ity.
Ireo vokatra notazana eo amin’ny zaridaina hanmpandehanana ny fampisakafoanana ny ankizy. Ireo ambiny izay tsy lany ao kosa afaka hamidy havadika vola hampandehanana ny « cantine » ihany koa. Tsy misy noho izany ny zavatra tokony ho very fa ahazoana tombony avokoa ny asa hatao.
Miora Raharisolo
| RépondreRépondre à tousTransférer |
