Alasora : Ambany ny karaman’ireo mpampianatra FRAM
Nangataka fanampiana tamin’ny Ben’ny tanàna ao Alasora ny Talen-tsekoly ao amin’ny EPP Ambohimanga mba hijery akaiky ny mpampianatra FRAM sy ny mpiambina ny sekoly.Marihina fa 40 000 Ariary ny karaman’ny mpampianatra FRAM amin’ity sekoly ity ary 30 000 ariary ny an’ny mpiambina ny sekoly. « Tsapantsika tsara angamba ny lanjan’izany 40 000 ariary izany eo amin’ny fiainana kanefa olona manana vady aman-janaka, manana jiro sy hofantrano ary sakafo hefaina » hoy ny vadin’ny ben’ny tanànan’Alasora, Razaka Mireille. « Efa voaray ny fangatahana ary hodinihana miaraka amin’ny mpanolon-tsaina ny kaominina izany » hoy ny ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Alasora, Randriantsoa Jimmy. »Tsy mahefa be eo amin’ny fiainana andavan’andro akory saingy aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy, ary aleo mionona amin’izay àry toy izay mangalatra » hoy ny mpiambina ny sekoly. Mbola misedra olana tokoa ny fanabeazana indrindra ny tontolon’ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga fototra satria mbola azo lazaina fa maro ihany ny mpampianatra karamain’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra.Matoa anefa ny ray aman-dreny mampiana-janaka eny amin’ny EPP dia tsy mahatakatra ny saram-pianarana eny amin’ny sekoly tsy miankina. Inona no vahaolana ? Ampitomboina ve ny mpampianatra karamain’ny fanjakana sa ny tompon’andraiki-panjakana eny ifotony no handray ny andraikitra ?
Nicole Rafalimananjara
