ActualitésTsidika

Fifindra-monina : Nisy ny atrik’asa nikaroham-bahaolana amin’ny fifindra-monina anatiny eto Madagasikara

Hatramin’ny taona 2009 no tsikaritra ny fisian’izany fifindra-monina avy any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy izany. Tsy mitsaha-mitombo io tranga io ka niakatra be ny taha ny taona 2021 hatramin’ny 2022 teo. Araka izany dia nisy ny atrik’asa izay niarahana tamin’ny OIT sy ny OIM nikaroham-bahaolana amin’ity tranga ity. Ny zava-mitranga mahakasika ny toetr’andro no tena mampitombo izany fifindra-monina izany izay mahatonga ny fiharina ho tsizarizary. Ireo fikarohana isan-karazany amin’ny antony manosika ny olona hifindra monina no nahafahana nanatanteraka ity fikaroham-bahaolana ity.

« Nizara roa ny fikarohana izay natao dia ny ara-ekonomika sy ara-tsosialy. Araka izany vahaolana izay nokarohana dia fomba hanohanana ireo mpifindra monina mba hahazoan’izy ireo tombam-bidy sy afaka mamaly ny filan’izy ireo amin’ny fivelomany eny amin’ny faritra ahatongavana, ka tsy hahasakana ny fifandraisana sy ny firaisankina amin’ny mponina misy ireo mpifindra monina ireo ny hetsika ataony », hoy ny avy ao amin’ny Organisation Internationale pour les Migrations (OIM).

Ireo loza eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana ihany koa dia ntony manosika ny olona hifindra monina. « Anisan’ny vahaolana azo atao ihany koa ny fampianarana sy ny fanofanana ny vahoaka amin’ny fiarovana ny tontolo manodidina azy. Matoa simba ny tontolo iainana ka tsy mahavokatra intsony dia noho ny fiasan’ny olombelona ihany izany. Tsy vahaolana tena mety amin’ny fihariana ny fifindra-monina fa azo atao ny manatsara n yeo an-tanana ka hahafahana mivelona hatrany. Ny toe-tsaina ihany koa no tokony hovaina », hoy ny mpamakafaka ara-tsosialy iray.

Marihina fa Mahajanga (38%), Ilakaka (29%), Ambondromamy (10%), Antsiranana (7%), ary toerana hafa toa an’ny Toliara, Morondava, Maevatanana no tena handehanan’ireo mpifindra ireo. Etsy andaniny anefa mety efa toerana ahitana fahasahiranana ihany koa ireo toerana ireo ka tsy tokony homena vahana ny fifindra-monina fa tokony hamafisina ny fihariana eo amin’ny toerana tsirairay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire