ActualitésTsidika

Belgique : Ny « journée mondiale du fair-play »

Ankalazaina isaky  ny 7 septambra ny « journée mondiale du fair-play ».Nihaona voalohany ireo ao amin’ny « Comité International du fair-play » ny 7 septambra 1963 ka tamin’izany no nametrahana ny tanjona sy ny vina ho an’ny etikan’ny fanatanjahan-tena. Tamin’ny alalan’ny vinan’ilay mpilalao « tennis » Jean Borotra no nampitsangana ity komity ity. Napetraka nandritra izany fa ny fair-play dia afaka tanterahina na amin’ny fomba goavana na amin’ny hetsika farany madinika indrindra. Tanjona ny hametrahana ity kolontsaina ity ho endrika iray hahafahana manabe ireo mpanao fanatanjahantena hanana fitondran-tena mendrika amin’ny fanatanterahana ny asany sy eo anivon’ny fiaraha-monina. Nambara tamin’ny fomba ofisialy fa ity datin’ny 7 septambra ity no hankalazana manerana izao tontolo izao ny « fair-play » tamin’ny 2020 tao Bruxelles.

Kolontsaina voizina: fiaraha-miasa, fifanajana, fifandeferana, firahalahiana, fifampizarana, fifanampiana, fifankatiavana. 

2022 : mbola any Bruxelles hatrany no hanatanterahana ny fankalazana ny amin’ity taona 2022 ity, ny hanaparitaka sy hampahalala ny kolontsaina entin’ny « fair-play » eo amin’ny mpanao fanatanjahantena sy eo amin’ny sarambabem-bahoaka no tanjona amin’izany.

Laisser un commentaire