France : Lalao efa eo ambany fiahiana federasionina ny « Belote » ao an-toerana
Ny FFB na ny « Fédération française de belote » no vondrona nasionaly mitantana sy mampiroborobo ny filalaovana « belote » ao France. Izy ireo ihany koa no mikarakara ny fiadiana ho tompondaka ao an-toerana ahafahana manondro ny mpilalao sangany indrindra eo amin’izany taranja izany.
Efa tamin’ny taona 1999 no nisy io federasionina io. Mitsinjara fikambanana samihafa kosa ny FFB : ny fikambanana ao Dax nisy nanomboka ny taona 1999, ny fikambanana ao Bastia (2000), ny fikambanana ao Paris (2010) ary ny fikambanana ao Nice (2015).
