ActualitésTsidika

Kolontsaina : Fampahafantarana mpahay zava-kanto vaovao ao amin’ny Goethe-Zentrum

Ny hetsika « ensemble » izay karakarain’ny Goethe-Zentrum Antananarivo (CGM) no hahalalan’ny maro azy, iarahany miasa amin’ny « la teinturerie » dia nentina hampahafantarana mpanao zava-kanto vaovao manerana an’i Madagasikara. I Dee Andriambelo avy any Antsirabe indray no mpanatalenta ho vahiny amin’ity alakamisy 08 septambra ity ao amin’ny CGM, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.

« Tombony ho an’ireo olona mana-talenta samihafa ireo ity hetsika iray ity satria amin’io no hampahafantarany bebe kokoa ny tenany sady hahafahany mamelabelatra ny maha izy azy ao anatin’ny talenta hananany » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny « la teinturerie ». Mankasitraka ny fanatanterahana itony hetsika itony ihany koa moa ireo artista sasany satria « ahafahanay miresaka amin’ireo mpankafy sy mifandray ary maka ny fon’ireo vao hankafy anay ny fotoana toy izao amin’ny alalan’ny kanto ataonay » hoy hatrany izy ireo.

Isaky ny alakamisy faharoa amin’ny volana no hantanterahana ity hetsika ity ka ao amin’ny CGM Analakely na ao amin’ny « la teinturerie » Tsiadana izany no hatao.  

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire