ActualitésTsidika

Mandritsara : Nahazo taratasy fifanarahana arak’asa ny mpampianatra miisa 182

Nozaraina taratasy fifanarahana arak’asa ireo mpampianatra miisa 182 ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Mandritsara ny 4 oktobra lasa teo tao amin’ny Tranompokonolona Mandritsara vaovao. Miisa 220 ireo mpampianatra voasivana nandritra ny andiany faha-7 sy faha-8 ity, ka 182 amin’ireo no efa nozarana taratasy fifanarahana arakasa. »Misaotra ny fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena, Solombavambahoaka voafidy teto Mandritsara, Rasolomanana Beby Olivier ary DREN ato amin’ny Faritra Sofia tamin’ny fitsinjovana ny mpmpianatra ato amin’ny Cisco Mandritsara fa isan’ny nahazo tombony tamin’ny andiany izao » hoy i Ravolanaivo Rollande, Chef Cisco Mandritsara nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’io fotoana io. « Mitsinjo anay mpampianatra tokoa ny toy izao ary monomer toky fa hanao ezaka rehetra mba hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto amin’ny firenena hitsinjovana ny taranaka mandimby » hoy ny solontenan’ireo mpampianatra. »Zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny faritra tokoa ny fanabeazana satria miainga ao ny fahalalana rehetra ho entina mitondra ny firenena » hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Mandritsara, Beby Olivier. Marihina fa tonga nanotrona ity fotoana ity ihany koa ny Lehiben’ny Distrika, Tsaralaza Razafimahefa; sy ny lehiben’ny DREN Sofia, Rakotovao Razafimandimby sy ny sefon’ny CISCO Mandritsara, Ravolanaivo Rollande ary ireo mpiara-miombonantoka isan-karazany sy ray aman-dreny maro.Antenaina mba hampiakatra ny kalitaon’ny fanabeazana ny hetsika tahaka izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire