Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ilay lehilahy tratra namaky trano tao Manjakaray
Nitrangana vaky trano indray tao amin’ny fokontany Manjakaray omaly maraina, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina. Niezaka nanenjika ireto nahavanon-doza ny fokon’olona tany an-toerana ka lehilahy iray no tratran’izy ireo raha toa ka tafataoka niaraka tamin’ny entana halatra kosa ireo namany hafa.Anisan’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana raha ny faritra Manjakaray manokana, sinto-mahery, hala-botry, vaky trano fanendahana no mampalazana izany fokontany izany. Nandritra ny fankalazana ny faha enimpolo taonan’ny polisim-pirenena ny alakamisin’ny 30 septambra lasa teo, no nanome toky ny vahoaka izy ireo amin’ny hanamafisana indray ny fandriam-pahalemana eto andrenivohitra. Tsy tsikaritra izany ankehitriny fa zary lasa fisehosehoana hivelany fotsiny ihany. Vao tsy ela akory izay mantsy no nitaraina ireo mponina ao Alasora manoloana ny vaky trano izay mila ho isan’andro. »Ny tsy fisian’ny asa no mahatonga izao, ny asa hivelomana tsy misy nefa ny tena amin’ny maha olona dia tsy maintsy misakafo, eo ihany koa ny fahdisoan-tsafidy tamin’ny resaka fifidianana, revon’ireo fampanantenana paokaty ny vahoaka madinika hany ka mifidy ilay olona tsy mahavita mamaha ny olana » hoy i Faby, mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony. »Efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana ilay olona tratra amin’izao fotoana, ary eo am-pikarohana ireo namany izay tafaporitsika ihany koa izy ireo ankehitriny. Valo amby efapolo ora ihany no hahafahanay mpitandro filaminana mitazona ireo olon-dratsy, rehefa dila izay fe-potoana izay ka tsy mitondra ny fitoriana ety amin’ny birao ireo niharan’ny fanahihana dia tsy amintsy mivaoka ato ireo mpangalatra, raha toa kosa misy ny fitoriana dia miakatra any amin’ny fitsarana ny raharaha » hoy ny mpitandro filaminana misahana ny fanadihadiana. »Andro aman’alina no hanavaon’ny mpitandro filaminana fisafoana ireo faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Tsy eny amin’ny arabe ihany no hanaovan izany fa miditra hatrany anaty elakelan-trano mihitsy » hoy i Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys, Minisitry ny filaminam-bahoaka.Anisan’ny ady vohaloany amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny famoronana asa sy fanomezana asa ho an’ny tanora, mamporisika ireo tanora hanaotao foana mantsy ny fahantrana izay mianjady aminy. Tanora avokoa ny fitopolon isanjaton’ny mponina eto Madagasikara, saingy ny dimapolo isan-jato amin’ireo tsy an’asa avokoa. Mnoloana izany indrindra no iantsoana ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny fanatanterahina ny velirano faha enina « Asa mendrika ho an’ny rehetra ». Fampandrosoana izay mipàka main’ny fiainan’ny mponina no lalana mitarika amin’ny fampanrosoana ny firenena.
Haingotiana Andriamihaja
