Iza no tokony hanendry ny solontenan’ny mpanohitra ho ao amin’ny RNM sy ny TVM ?
Manomboka manome sehatra ny mpanohitra ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Saingy tsy eken’ny antoko mpanohitra ny fanendrena ataon’ny Ministera izay olona hiakatra an-tsehatra fa izy ireo ihany no tokony hapaka izany. »Te hanaporofo ny fitondrana fa mahazaka demokrasia kanefa mbola hita any anaty fandraisam-pitenenany ihany ny tsy fahazakana tsikera » hoy i Felix, mpianatra mikasika ny politika eny amin’ny FDSP Ankatso. »Tokony hanaja ny lalàna ny mpitondra satria manana ny lalàna mifehy azy ny mpanohitra. Noho izy ireo manana rafitra mifehy azy dia tokony mampilaza ny rafitra foibe ny ministera, mialohan’ny hampiakatra izay hisolo tena azy ireo ao amin’ny TVM ary izahay no manapaka izay hislo tena avy eo » hoy ny antoko RMDM. « Tsy ny fiakaran’ny Solombavambahoaka Fidele Razara Pierre no olana, fa ny fifidianan’ny ministera izay olona tiany ampidirina ao, tsy manaraka rafitra. Mikasa ny hampiady ny mpanohitra ny ministera saingy marihina fa tsy miady an-trano izany ny mpanohitra » hoy i Fetra, tanora mpikambana ao amin’ny Antoko mpanohitra. Tany demokratika tokoa ve i Madagasikara ? Tokony hisy ny fandaminana eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra satria ireo mifameno no tena mampandroso an’i Madagasikara, ny iray manana ny tetik’asa heveriny ho hampandroso ; ny hafa kosa manana ny tsikera ho enti-mandroso.
Nicole Rafalimananjara
