VAHAOLANA HANATSARANA NY KALITAON’NY BOZAKA ENY AMIN’NY KIANJA BAREA
Mbola mandinika sy mikaroka vahaolana rehetra hanatsarana ny kalitaon’ny bozaka eny amin’ny kianja Barea ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Hita fa mahomby kokoa ny bozaka “hybride” sy artifisialy raha oharina amin’ny bozaka voajanahary, satria maharitra kokoa ny fampiasana azy (manodidina ny 250 ora isan-taona ny bozaka voajanahary, raha mahatratra 1000 ora kosa ny “hybride” sy artifisialy).

