Fanamboarana ampahan-dalana mankany amin’ny ESGN ao Moramanga.
Vita soa aman-tsara ny fanamboarana ampahan-dalana mankany amin’ny ESGN ao Moramanga.
Tafiditra ao anatin’izany ny lalana manomboka eo amin’ny PK 110 mihazo ny biraon’ny ESGN, ny PK 111 eo anoloan’ny Jovena, mandalo eo amin’ny vavahady andrefana (Portail Ouest), mamakivaky ny Place d’Arme
, ary mivoaka amin’ny vavahady atsinanana (Portail Est) ka mifandray indray amin’ny RN2 eo akaikin’ny BNI.

