CSP7 67ha : Efa mpamerin-keloka ilay jiolahy nitsatoka antsy mpanao gazety
23 aogositra, 09h00, Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Polisim-pirenena tetsy amin’ny 67ha, tratra ny mpanendaka, nanatsatoka antsy mpanao gazety iray tamin’ny fiandohan’ity vola aogositra ity. Araka ny fanadihadiana natao dia efa mpamerin-keloka ity jiolahy ity, izay vao nivoaka tamin’ity taona 2022 ity ihany. Ankoatra azy, mbola eo am-pikarohana ireo namany hafa mpiara-manao asa ratsy ihany koa ny polisim-pirenena amin’izao fotoana izao.
