Distrikan’i Tsihombe : trano miisa 46 ravan’ny afo
Ny alin’ny sabotsy 20 aogositra lasa teo no nitrangana hain-trano tao an-tampon-tanànan’ny distrikan’i Tsihombe, Toliara, ao amin’ny faritra Androy. Tokatrano manodidina ny 50 tafo no rava, kilan’ny afo tao anatin’izany. Fianakavina manodidina ny 80 eo no rava fananana ary tsy manan-kialofana vokatr’izany.
« Niredareda ny afo, ary trano efa mananika ny zato mahery no kilan’ny afo nandritra ity loza niseho teto Tsihombe ity. Potika, rava fananana, tsy misy ho raisina ireo olona niaram-boina. Tsy fantatra mazava ny antony nihavian’ny afo ary mbola eo am-piandrasana ny fanadihadiana ataon’ny tompon’draikitra ireo mponina any an-toerana » rahaa ny nambaran’ny olona nanatri-maso ny zava-niseho tao an-toerana.
Etsy ankilan’izay anefa, ny alahady 21 ny volana aogositra, tonga nitondra ny anjara birikiny ny avy eo anivon’ny tomponandrakim-panjakana, nanao vonjy rano vaky manoloana ny zava-misy tany an-toerana notarihin’ireo ministera isan-tsokajiny avy. Ary mbola manao antso avo amin’ny mahalala tanàna rehetra hifanome tanana, hanampy ireo mpiray tanindrazana ireo.
Manitra Ramanantsoa
