ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny fampianarana teny anglisy ao amin’ny BTC

Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny fampianarana teny anglisy ao amin’ny BTC Ambohimangakely. Ankoatra ny fampianarana sy fampiofanana momba ny asa tanana, ny kolontsaina, ny fialam-boly isan-karazany dia omen’izy ireo sehatra ihany koa ny fampianarana teny vahiny.

« Isaky ny alarobia sy sabotsy ny fotoana fianarana ho an’ireo izay liana amin’ny fianarana teny anglisy. Misy ny cours normal sy ny accéléré, malalaka tsara ny safidy ato amin’ny BTC, maharitra telo volana ny fianarana ho an’ireo misafidy ny cours normal, iray volana kosa ho an’ny accéléré, amin’ny saram-pianarana mirary. Ho an’ireo liana dia azony atao ny manantona mivantana ety an-toerana » hoy i Tata, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.

« Ilaina ny fahaizana teny vahiny ankoatra ny teny mahazatra iainana andavan’andro. Ampirisihana mihitsy ireo ray amandreny handefa ny zanany, indrindra fa ilay mbola amin’ny taona afaka mifantoka sy mandray tsara iny hianatra zavatra hafa ankoatra ireo rantovina any an-tsekoly. Tsy tokony hionona fotsiny amin’ireny ny ray aman-dreny sy ny mpianatra fa tokony manampy fahalalana aty ivelany » hoy ny mpampianatra.

Anisan’ny ilaina tokoa ny fahafehezana teny vahiny ankoatra ny teny reny. Mampivelatra eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fianarana tokoa izany. Tsara ny manana fahalalana ho an’ny ho avy, fa indrindra manamora ny serasera amin’ny hafa ny fifehezana ny teny vahiny.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire