Mivoaka ny vinavinan’ny tetiandrom-pampianarana 2021-2022
Maminavina ny fidiran’ny mpianatra any voalohan’ny volana septambra sy ny fialan-tsasatra lehibe any amin’ny volana jona ity tetikasan’ny tetiandrom-pampianarana 2021-2022 ity.
Eo am-piandrasana ny daty ofisialy hanaovana ny fanadinam-panjakana dia efa mivezivezy mangingina any ny taratasy manamarika ny daty ho amin’ny taom-pianarana 2021-2022 ary efa miandry fankatoavin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena izany. Araka io taratasy io dia tokony hanomboka ny 1 septambra ny taom-pianarana ary hifarana amin’ny 25 jona.
Efa voarakitra ao ihany koa ny fidiran’ny mpandraharaha ho amin’ny alatsinainy 16 aogositra 2021, ary ny alatsinainy 23 aogositra 2021 ny ho an’ny mpampianatra. Ny mpianatra kosa dia manomboka ny alarobia 1 septambra 2021 izay hizara telovolana dimy, saingy mbola tsy voamarika kosa ny daty hanatanterahana ireo fanadinana.
Raha tsiahivina dia ao anatin’ny tetikasa PSE ny fampiarahana ny tetiandrom-pianarana amin’ny toetr’andro sy ny fanombohana izany ny volana martsa hatramin’ny volana desambra. Tetiandro izay tsy mifanaraka loatra amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny sekoly noho ny fianarana ao anaty vanim-potoana ny ririnina ary ny fialan-tsasatra ao anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra.
Hasina Rasamimanana
