ActualitésTsidika

Anosibe-Anosipatrana : Tokantrano 60 mahery no may trano

Nanodidina ny 60 ny trano may teny Anosibe sy Anosipatrana ny 27 febroary tolakandro. Finday no-charger-na ka nipoaka no nitarika ny firehetana.

« Trano hazo teny akaikin’ny Trano dimy teny Anosibe Anosipatrana no nahatonga ny fahamaizana. Nihitatra ny afo ka mananika ny 63 tokantrano no tra-boina ho an’ny fokontany Anosizato Antsinanana II. Tokantrano 03 kosa no niharam-boina ny an’ny fokontany Ampangabe Anjanakinifolo » hoy ny lehiben’ny Fokontany any Anosizato. « Mila fitandremana isika. Finday iray no nitarika ny faharehetan’ny trano am-polony mahery » hoy i Voahirana, mponina ao Anosipatrana. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina. Naharitra adiny roa vao voafehy tanteraka ny afo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire