ActualitésTatitra

France : Olona telo tratra nivarotra solika halatra

Olona telo no nosamborina nohon’ny fivarotana solika halatra tao Franconville, Val-d’Oise. Fantatra fa nangalatra « cartes carburant » ireo olona ireo ary nisitona sy namarotra izany tamin’ny vidiny tena mora. Karatra efa 71 isa nitentina 250 euros no tratra teny amin’izy ireo izay an’ny orinasa iray ao Gennevilliers, Hauts-de-Seine.

Namidin’ireo mpangalatra ireo latsakin’ny 1 Euro ny vidin’ny « sans-plomb » tamin’io solika halatra raha « centimes » vitsivitsy fotsiny ny vidin’ny « gazole ». Nahasitntona « 128 pleins » izy ireo ary nahazo vola manodidina ny 12 000 Euros. Efa voasambotra kosa ireo lehilahy telo ireo.

Laisser un commentaire