SocialTatitra

France : Tovovavy kely 14 taona namono-tena noho ny « harcèlement » na herisetra nahazo azy

Tovovavy kely iray 14 taona no nanapa-kevitra hamohy ny ainy tao aorian’ny « harcèlement » nahazo azy tany an-tsekoly. Olona maherin’ny 1400 no tonga nivory ho fananomezam-bonihatra azy. Voalazan’ny reniny moa fa nandritra ny 2 taona ity no nianjadian’ny harcèlement avy amin’ireo mpiara-mianatra aminy noho izy zarazara oditra.Ity zazavavy ity dia efa nametraka fitairainana tamin’ireo mpanabe azy tany an-tsekoly fa toa nodian’izy ireo tsy hita izany. Tao aorian’izay dia efa nanandrana namono tena izy saingy tsy maty fa kosa dia voarabirabirabin’ireo namany tao amin’ny tamba-jotra-tserasera manao hoe : « aza matahotra fa efa ho faty tsy ho ela ianao e » sy ny hoe « aleo fa andefasanay rohy an-tranokala ianao mba hanampy anao hamono tena soa ama-tsara ». Efa niezaka ny nampahery azy moa ny reniny saingy izao niafara tamin’ny famonoan-tena fanindroany izao ka dia nahafaty azy mihitsy. Nanambara hatrany moa ny reniny fa hampiakatra avo izao raharaha izao ary koa ny mitaky ny mba hitsaharan’ny « harcèlement ».

Laisser un commentaire