Europe : Misy « hépatite » tsy fantam-piaviana mahazo ny zaza amin’izao fotoana
Nanao fanambarana ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana tao Royaume-Uni fa misy « hépatite » tsy fantam-piaviana mahazo ny zaza ao Europe tamin’ity volana aprily ity. Zaza am-polony no hiaran’izany ary ho an’i Royaume-Uni manokana dia maherin’ny 74 ny tranga misy fahasarotan’izany.Mirongatra amin’ny firenena maromaro ity aretina ity. Nahitana tranga sivin’izany tao États-Unis, telo tao Espagne ary maro hafa tao Danemark, Irlande ary Pays-Bas. Ny zaza latsaky ny folo taona no tena tratrany raha ny fantatra. « Jaunisse », fivalanana, fandoavana ary fahararian’ny kibo kosa no fisehony.Manaraka akaiky izany tranga izany kosa ny OMS, nanazava izy ireo fa mety ho hisy fiakaran’ny antontanisan’ny tranga ao anatin’ny andro vitsivitsy. Raha tsiahivina dia « hépatite » A, B, C, D ary E no efa misy.
