ActualitésTatitra

France : Lehilahy iray nitsantoka antsy ny vadiny tao Hauts de Seine

Raim-pianakaviana iray 53 taona no nivoaka ny tranoniny sady niantsoantso hoe « novonoiko ny vadiko! » tao Meudon, Hauts de Seine ny 1 novambra teo. Niantso ny manam-pahefana avy hatrany ny manodidina ary hita tao an-tranon’izy ireo voatsatok’antsy indroa ny vadin’ilay lehilahy. Nentina tany amin’ny hopitaly avy hatrany moa ilay renim-pianakaviana saingy tsy tana ny ainy.

Nandositra kosa ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza taorian’ny antsoantsony. Tratran’ireo manam-pahefana ihany nefa izy ary efa notanana am-ponja vonjimaika. Mbola nihoson-drà io lehilahy io tamin’ny fotoana nisamborana azy mbola hita tao am-paosiny ny ampahan’ny antsy namelezany ny vadiny raha tao an-dakozian’ny trano fonenany kosa ny ampahany hafa.

Efa nisokatra moa ny fanadihadiana momba io raharaha io ary raisin’ny polisy federaly ao Hauts de Seine an-tanana izany.

Laisser un commentaire