Cote d’Ivoire : Voaheloka ahiditra am-ponja i Amadé Ouérémi
Nohelohina higadra any am-ponja nanomboka ny Alakamisy 15 Avrily lasa teo ny filohan’ny Tafika teo aloha, Amadé Ouérémi any Cote d’Ivoire. Voaheloka manoloana ny herisetra natao tamin’ny olombelona izy. Fantatra manko fa izy no tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’olona miisa 817 tamin’ny 28 -29 Martsa 2011 nandritran’ny Krizy tamin’ny fifidianana. Niseho tany avaratrin’ny firenena ity tranga ity izay nahafatesana sy naharatran’olona maro ary nitrangana hain-trano niniana natao ihany koa tamin’izany.
