ActualitésSocialTsidika

Fanodinana fako : Manan-kevitra ny tanora nandritra ny Startup Weekend Sustainability

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny SWAT (Startup weekend Antananarivo-Sustainability) tamin’ity andiany manaraka ity. Nifantoka tamin’ny loha-hevitra fanodinana fako ity manaraka ity, izay nahitana mpandray anjara manodidina ny 30 isa.

“Niavaka, tsy toy ny mahazatra fahita isaky ny telo volana ny SWAT tamin’ity andiany ity. Nomena sehatra malalaka ireo mpanadray anjara ary tsy tanora ihany no hita tao fa nisy ihany koa ny olon-dehibe izay samy nanana ny heviny sy ny tetikasany avokoa tao anatin’ny loha-hevitra “sustainability”  hoy ireo mpikarakara ny SWAT.

“Anisan’ny zavatra nandrasana tamin’ny mpandray anjara ny hitondrana hevi-baovao, azo tanterahina ary miavaka amin’ireo tetikasa efa ataon’ireo orinasa isan-karazany, ao anatin’ny sehatry ny fanodinana fako sy ny fampandrosoana maharitra. Tsara avokoa ireo hevitra nasehon’ny mpandray anjara ary ireo mpitan-tsoroka ihany koa dia nanampy teo amin’ny fanohanana sy ny fanatanetrahana izany mba ahomby sy aharitra” hoy ny solotenan’ireo mpitantsoroka nandritra ny SWAT.

Ny tetikasa Mianala, Val’eau ary ny Nutricycle ireo moa ny ekipa nahazo ny fandresena tamin’ity Startup Weekend Sustainable ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire