Seychelles : Hanokatra ny sisintaniny amin’ny 25 martsa 2021.
Nilaza ny tompon’andraikitra ambony iray ao Seychelles fa hisokatra ho an’ireo mpizahantany manerantany, manomboka ny 25 martsa ho avy izao. Tsy mandray ny avy ao afrika atsimo kosa anefa izy ireo. Takian’izy ireo ny fanamarinana fa nanao fitsapana PCR tao anatin’ny 72 ora ny mpitsidika alohan’ny hahatongavany ao amin’ny firenena. Tsy ilaina ihany koa ny fihibohana mandritran’ny 14 andro rehefa tonga any an-toerana. Afaka mankafy ny fialan-tsasatra any amin’ny hotely voamarina ireo mpitsidika. Nilaza ny minisitry ny raharaham-bahiny sy fizahan-tany, Sylvestre Radegonde tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety iray fa tsy maintsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana napetraka kosa ny mpitsidika, midika izany fa tsy maintsy manao ny manao saro-tava, ny famonoana otrikaretina amin’ny tanana ary ny fanajana ny elanelana ara-batana izy ireo. Nilaza ihany koa izy fa mba hamelona indray ny tontolon’ny ekonomika izao fanapahan-kevitra izao. Manantena izy ireo fa hifanaraka ny hetsika ara-toekarena sy ny indostrian’ny fizahantany. Misy ny fangatahana fialan-tsasatra erak’izao tontolo izao ary mety hiseho amin’izany I Seychelles.
